Bokin'ny Levitikosy 15:31
Dia hampisarahinareo amin’ ny fahalotoany ny Zanak’ Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
32Izany no lalàna ny amin’ ny marary mitsika, sy ny amin’ izay ialan’ ny azy, ka mahaloto azy izany,
Read all of Bokin'ny Levitikosy 15
Cross References
Leviticus 13:59Izany no lalàna ny amin’ ny habokana eo amin’ ny fitafiana volon’ ondry na rongony, na eo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto.
Leviticus 20:3Ary ny Tavako hanandrina izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy, satria nisy natolony ho an’ i Moloka ny zanany, handotoany ny fitoerako masìna sy hanamavoany ny anarako masìna.
Numbers 5:3na lehilahy na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan’ ny toby, mba tsy handoto ny tobiny izay itoerako eo afovoany.
Numbers 19:20Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fiangonana, satria nandoto ny fitoera-masin’ i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy.
Psalms 66:18Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;
Ezekiel 23:38Izao koa no nataony tamiko: Nandoto ny fitoerako masìna izy tamin’ izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa.