Bokin'ny Levitikosy 16:10
Fa ny osilahy izay niharan’ ny filokana ho an’ i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan’ i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an’ i Azazela.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 16
Cross References
Leviticus 14:7Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin’ ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona.
Isaiah 53:4Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahorina.
Romans 4:25Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.
Hebrews 7:26Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masìna, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra,
1 John 2:2ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’ izao tontolo izao koa.