Bokin'ny Levitikosy 16:20
Ary rehefa vitany ny fanavotana ho an’ ny fitoerana masìna sy ny trano-lay fihaonana ary ny alitara, dia hampanatoniny ny osilahy velona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 16
Cross References
Leviticus 8:15Dia novonoiny ny, ary nalain’ i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin’ ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin’ ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin’ ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.
Ezekiel 45:20Ary toy izany koa no hataonao amin’ ny andro fahafito amin’ ny volana ho an’ ny olona manota tsy nahy, na noho izy kely saina, ka dia hanao fanavotana ho an’ ny trano ianareo.
Romans 8:34Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ ny maty koa ka mitoetra eo amin’ ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ary mifona ho antsika.
Colossians 1:20sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin’ ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana ― eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin’ ny tany, na ny any an-danitra.
Revelation 1:18dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita.