Bokin'ny Levitikosy 16:24
Dia handro amin’ ny rano eo amin’ izay fitoerana masìna izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an’ ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an’ ny olona ka hanao fanavotana ho an’ ny tenany sy ny olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25Ary ny saboran’ ny fanatitra noho ny ota dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 16
Cross References
Exodus 28:4Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masìna ho an’ i Arona rahalahinao izy, sy ho an’ ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
Leviticus 8:6Ary Arona sy ny zanany dia nentin’ i Mosesy nanatona ka nampandroiny tamin’ ny rano.
Leviticus 14:9Ary amin’ ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin’ ny rano, dia hadio izy.
Leviticus 22:6ny olona izay mikasika izany dia haloto mandra-paharivan’ ny andro ka tsy hihinana amin’ ny zava-masìna, raha tsy mandro amin’ ny rano.
Hebrews 9:10(fa naman’ ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin’ ny andro fanovana.
Revelation 1:5ary avy amin’ i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ ny maty ary Lehiben’ ny mpanjaka amin’ ny tany. Ho an’ izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ ny fahotantsika tamin’ ny ràny,