Bokin'ny Levitikosy 16:29
Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin’ ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Ary izay mandoro ireo dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 16
Cross References
Exodus 12:16Ary amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana masìna ho anareo ary amin’ ny andro fahafito koa hisy fivoriana masìna; tsy hanao raharaha akory ianareo amin’ izany andro izany, afa-tsy izay hohanin’ ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.
Exodus 30:10Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin’ ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin’ ny ran’ ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby; ho masìna indrindra ho an’ i Jehovah izany.
Leviticus 23:7Ary amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana masìna ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo;
Leviticus 23:27Ary amin’ ny andro fahafolo amin’ izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masìna ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
Leviticus 23:36Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ary amin’ ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masìna ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory.
Numbers 29:7Ary amin’ ny andro fahafolo amin’ izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masìna ho anareo, dia hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha akory.