Bokin'ny Levitikosy 16:4
Akanjo lava masìna rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana masìna ireo, ka handro amin’ ny rano izy vao hiakanjo azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 16
Cross References
Exodus 28:39Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.
Exodus 30:20Raha miditra amin’ ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin’ ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah,
Exodus 40:12Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin’ ny rano izy.
Leviticus 6:3Any hiakanjoan’ ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin’ ny fanatitra dorana izay nolevonin’ ny afo teo ambonin’ ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan’ ny alitara.
Leviticus 8:6Ary Arona sy ny zanany dia nentin’ i Mosesy nanatona ka nampandroiny tamin’ ny rano.
Isaiah 53:2Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin’ ny tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.