Bokin'ny Levitikosy 17:16
Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia ho meloka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But if he wash them not, nor bathe his flesh; then he shall bear his iniquity.
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 17
Cross References
Leviticus 7:18Ary raha tahìny hihinanana amin’ ny andro fahatelo ny henan’ ny fanati-pihavanana, na dia kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an’ izay manatitra azy izany, fa fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin’ izany dia ho meloka.
Leviticus 20:17Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin’ ny rainy, na zanakavavin’ ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason’ ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin’ ny anabaviny ralehilahy ka meloka.
Numbers 19:19Ary ny maloto dia hofafazan’ ilay olona madio amin’ ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany amin’ ny andro fahafito izy ka hanasa ny fitafiany sy handro amin’ ny rano, dia hadio rehefa hariva.
Isaiah 53:11Noho ny fisasaran’ ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy no hanamarinan’ ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok’ ireo.
Hebrews 9:28dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin’ ota, amin’ izay miandry Azy, ho famonjena.