Bokin'ny Levitikosy 17:3
Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely no mamono omby, na zanak’ ondry, na osy, na eo an-toby, na any ivelan’ ny toby,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 17
Cross References
Leviticus 17:8Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminareo, no manatitra fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà,
Leviticus 17:15Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro izy, vao hadio.
Deuteronomy 12:11dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo, ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin’ i Jehovah.
Deuteronomy 12:14fa eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah ihany amin’ ny firenenao anankiray no hanateranao azy, sady eo koa no hanaovanao izay rehetra andidiako anao.
Deuteronomy 12:26Kanefa ny zava-masinao sy ny zavatra nataonao voady dia ento mankany amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah.