Bokin'ny Levitikosy 18:25
Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan’ ny tany ny mponina eo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 18
Cross References
Leviticus 18:28mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.
Numbers 35:33Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin’ ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin’ ny ran’ izay nandatsaka azy ihany.
Deuteronomy 9:5Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan’ i Jehovah tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.
Ezra 9:11dia ilay nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe: Ny tany izay efa hidiranareo holovana dia tany maloto noho ny fahalotoan’ ny tompon-tany sy ny fahavetavetany, izay efa nataony manenika azy noho ny fahalotoany;
Psalms 106:38Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran’ ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an’ ny sampin’ i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin’ ny rà izy.
Isaiah 26:21Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.