Bokin'ny Levitikosy 18:29
Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 18
Cross References
Exodus 12:15Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin’ ny voalohan’ andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ ny Isiraely.
Leviticus 7:20fa ny olona izay misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin’ ny fanati-pihavanana, izay an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
Leviticus 17:10Ary na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminareo, no mihinan-drà, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-drà, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy.
Malachi 2:12Enga anie ka hofongoran’ i Jehovah hiala amin’ ny lain’ i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza, sy izay manatitra fanatitra ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro.