Bokin'ny Levitikosy 18:4
Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Ye shall do my judgments, and keep mine ordinances, to walk therein: I am the LORD your God.
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 18
Cross References
Leviticus 18:2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo:
Leviticus 19:19Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin’ ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin’ ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho.
Leviticus 20:22Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana.
Deuteronomy 6:1Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin’ ny tany izay alehanareo holovana,
Psalms 119:4Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara.
Ezekiel 36:27Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.