Bokin'ny Levitikosy 19:23
Ary raha tonga any amin’ ny tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa, dia hataonareo ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy hohanina;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 19
Cross References
Exodus 6:12Ary Mosesy niteny teo anatrehan’ i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak’ Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan’ i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra?
Exodus 22:29Izao no hataonao amin’ ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao; hafitoana no hitoerany ao amin’ ny reniny; ary amin’ ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy.
Leviticus 14:34Rehefa tonga any amin’ ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako habokana amin’ ny tany fanananareo,
Leviticus 23:14Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan’ ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an’ Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany eny amin’ izay fonenanareo rehetra.
Jeremiah 9:25Dia Egypta sy Joda sy Edoma sy ny taranak’ i Amona ary Moaba mbamin’ izay rehetra voahety sisim-bolo, izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak’ Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo.