The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Levitikosy › Bokin'ny Levitikosy 2 › Bokin'ny Levitikosy 2:10

Bokin'ny Levitikosy 2:10

Ary ny sisa amin’ ny fanatitra hohanina dia ho an’ i Arona sy ny zanany; ho masìna dia masìna avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And that which is left of the meat offering shall be Aaron’s and his sons’: it is a thing most holy of the offerings of the LORD made by fire.

In Context

9Ary ny mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany.

11Ny fanatitra hohanina rehetra, izay aterinareo ho an’ i Jehovah, dia aza asiana zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah;

Read all of Bokin'ny Levitikosy 2

Cross References

Leviticus 5:13Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony tamin’ ny anankiray amin’ ireo, dia havela ny helony; ary ho an’ ny mpisorona ny sisa, toy ny fanatitra hohanina.

Leviticus 6:23Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-drà ho entina ao amin’ ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin’ ny fitoerana masìna, dia tsy hohanina; hodorana amin’ ny afo izany.

Leviticus 10:12Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona ary tamin’ i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa amin’ ny fanatitra natao tamin’ ny afo ho an’ i Jehovah, ka hano eo anilan’ ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa masìna dia masìna izany.

Leviticus 21:22Ny hanin’ Andriamaniny, izay avy amin’ ny zavatra masìna indrindra sy ny zavatra masìna, dia azony hanina ihany;

1 Samuel 2:28Eny, nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra ho mpisoroko izy mba hanatitra fanatitra eo ambonin’ ny alitarako sy handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo anatrehako, ary nomeko ho an’ ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon’ ny Zanak’ Isiraely amin’ ny afo.

Ezekiel 44:29Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny zavatra rehetra izay voatokana eo amin’ ny Isiraely dia ho azy koa.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Levitikosy 2:10

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Levitikosy 2:9Bokin'ny Levitikosy 2Bokin'ny Levitikosy 2:11 →