Bokin'ny Levitikosy 2:16
Ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny langony sy avy amin’ ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 2
Cross References
Leviticus 2:1Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an’ i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny.
Leviticus 2:9Ary ny mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany.
Psalms 141:2Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.
Isaiah 61:1Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,
Hebrews 5:7Tamin’ ny andron’ ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’ izay nahavonjy Azy tamin’ ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’ Andriamanitra,