Bokin'ny Levitikosy 20:14
Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin’ ny afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 20
Cross References
Leviticus 18:17Aza mandry amin’ ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin’ ny zananilahy, na ny zanakavavin’ ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.
Deuteronomy 27:23Hozonina izay mandry amin’ ny rafozani-vavy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
Joshua 7:25Ary hoy Josoa: Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin’ ny afo sady nanangom-bato teo amboniny.