Bokin'ny Levitikosy 20:2
Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Na iza na iza amin’ ny Zanak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an’ i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Read all of Bokin'ny Levitikosy 20
Cross References
Leviticus 17:8Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminareo, no manatitra fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà,
Leviticus 17:15Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro izy, vao hadio.
Leviticus 20:27Ary na lehilahy na vehivavy izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao maty tokoa: hitora-bato azy ny olona; ny ràny dia ho aminy ihany.
Leviticus 24:16Fa izay miteny ratsy ny anaran’ i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy.
Numbers 15:35Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan’ ny toby ny fiangonana rehetra.
Deuteronomy 13:10fa vonoy ho faty izy; ny tananao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan’ ny vahoaka rehetra.