Bokin'ny Levitikosy 22:18
Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany ary ny zanak’ Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo amin’ ny Isiraely, no manatitra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho an’ i Jehovah ho fanatitra dorana,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Read all of Bokin'ny Levitikosy 22
Cross References
Leviticus 1:2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.
Leviticus 7:16Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin’ ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson’ iny no hihinanana izay ambiny.
Leviticus 17:13Na iza na iza amin’ ny Zanak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminy, no mihaza ka mahazo biby na vorona izay fihinana, dia haidiny amin’ ny tany ny ràny ka hototofany;
Numbers 15:3ka manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry aman’ osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà hanalana voady, na amin’ ny sitrapo na amin’ ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah:
Deuteronomy 12:6Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’ osinareo;
Deuteronomy 16:10Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao;