Bokin'ny Levitikosy 22:29
Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pisaorana ho an’ i Jehovah ianareo, dia amin’ izay hankasitrahana anareo no hamonoanareo azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And when ye will offer a sacrifice of thanksgiving unto the LORD, offer it at your own will.
In Context
28Ary ny ombivavy, na ny ondrivavy, na ny osivavy, dia tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny zanany.
30Amin’ izany andro izany ihany no hihinanana azy, fa aza amelana ho tra-maraina: Izaho no Jehovah
Read all of Bokin'ny Levitikosy 22
Cross References
Leviticus 7:11Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanati-pihavanana izay haterina ho an’ i Jehovah:
Leviticus 7:15Ary ny henan’ ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin’ ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina.
Psalms 116:17Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran’ i Jehovah no hantsoiko.
Amos 4:5Mandoroa zavatra misy masirasira ho fanati-pisaorana, ary miantsoa fanati-tsitrapo, eny, ambarao izany! Satria ny toy izany no sitrakareo, ry Zanak’ Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
1 Peter 2:5ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masìna, hanatitra fanati-panahy sitrak’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.