Bokin'ny Levitikosy 22:4
Na iza na iza amin’ ny taranak’ i Arona no boka na marary mitsika dia tsy hihinana ny zava-masìna mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan’ ny azy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 22
Cross References
Leviticus 2:3Ary ny sisa amin’ ny fanatitra hohanina dia ho an’ i Arona sy ny zanany; ho masìna dia masìna avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.
Leviticus 11:39Ary raha misy maty izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan’ ny andro izay mikasika ny fatiny.
Leviticus 13:44dia lehilahy boka izy ka maloto; hataon’ ny mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin’ ny lohany ny aretina.
Leviticus 14:2Izao no lalàna ny amin’ ny boka amin’ ny andro fanavotana azy: ho entina any amin’ ny mpisorona izy;
Leviticus 15:13Ary raha sitrana amin’ ny fitsihany ny marary mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin’ ny fanadiovana azy izy; ary hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano mandeha izy, dia hadio.