Bokin'ny Levitikosy 23:19
Dia manatera osilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy zanak’ ondrilahy roa izay iray taona ho fanati-pihavanana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 23
Cross References
Leviticus 3:1Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan’ i Jehovah.
Leviticus 4:23ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osilahy tsy misy kilema ho fanatiny izy;
Leviticus 16:15Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin’ ny efitra lamba ny ràny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin’ ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ihany ka hafafiny eo amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany.
Numbers 28:30ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo.
2 Corinthians 5:21Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’ Andriamanitra ao aminy kosa isika.