Bokin'ny Levitikosy 23:22
Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ ny vokatrao, fa avelao ho an’ ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Read all of Bokin'ny Levitikosy 23
Cross References
Leviticus 19:9Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ ny vokatrao.
Deuteronomy 16:11ary mifalia eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
Ruth 2:3Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorian’ ny mpijinja; ary sendra tonga tany amin’ ny tanimbarin’ i Boaza, izay avy amin’ ny fokon’ i Elimeleka, izy.
Job 31:16Raha tàhiny aho nandà Izay nirin’ ny malahelo ka nahapahina ny mason’ ny mpitondratena,
Psalms 112:9Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.
Isaiah 58:7Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ ny namanao ianao?