Bokin'ny Levitikosy 23:32
Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin’ ny andro fahasivy amin’ ny volana, rehefa hariva dia hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
33Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Read all of Bokin'ny Levitikosy 23
Cross References
Leviticus 16:31Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ka hampahory ny tenanareo ianareo: ho lalàna mandrakizay izany.
Psalms 35:13Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin’ ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.
Psalms 69:10Fa ny firehetako ny amin’ ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon’ izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.
Isaiah 57:15Fa izao no lazain’ ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masìna no anarany: Ao amin’ ny fitoerana avo sy masìna no onenako, ary ao amin’ ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ ny torotoro fo;
Isaiah 58:3Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao? Indro fa amin’ ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorinareo.
Matthew 5:4Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.