Bokin'ny Levitikosy 23:34
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana fahafolo izany no hiantombohan’ ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
33Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
35Amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana masìna: aza manao tao-zavatra akory.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 23
Cross References
Exodus 23:16Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ ny fanangonana amin’ ny faran’ ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.
Numbers 29:12Ary amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an’ i Jehovah.
Deuteronomy 31:10Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin’ ny taom-panafahana, amin’ ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo,
1 Kings 12:32Ary Jeroboama, nanendry andro firavoravoana tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin’ ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin’ ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ireo ombilahy kely izay nataony izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay notendreny.
Nehemiah 8:14Dia hitany voasoratra teo amin’ ny lalàna, izay nampandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin’ ny trano rantsan-kazo ny Zanak’ Isiraely amin’ ny andro firavoravoana amin’ ny volana fahafito,
Zechariah 14:16Ary ny sisa rehetra amin’ ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an’ i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan’ ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.