Bokin'ny Levitikosy 23:41
Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an’ i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany; amin’ ny volana fahafito no hitandremanareo azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 23
Cross References
Leviticus 23:14Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan’ ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an’ Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany eny amin’ izay fonenanareo rehetra.
Nehemiah 8:18Ary namaky ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra isan’ andro isan’ andro izy hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin’ ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.