Bokin'ny Levitikosy 24:9
Ary ho an’ i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin’ izay fitoerana masìna; fa masìna dia masìna ho an’ ny mpisorona izany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo: lalàna mandrakizay izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 24
Cross References
Exodus 27:21Ao anatin’ ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan’ ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan’ i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan’ i Jehovah hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin’ ny Zanak’ Isiraely izany hatramin’ ny taranany fara mandimby,
Leviticus 3:17Izao no ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby eny amin’ izay rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo.
Leviticus 6:11Ny lehilahy rehetra amin’ ny zanak’ i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay ho an’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany; ho masìna izay rehetra manendry izany.
Leviticus 8:3Ary vorio ny fiangonana rehetra ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
Leviticus 10:12Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona ary tamin’ i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa amin’ ny fanatitra natao tamin’ ny afo ho an’ i Jehovah, ka hano eo anilan’ ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa masìna dia masìna izany.
Leviticus 21:22Ny hanin’ Andriamaniny, izay avy amin’ ny zavatra masìna indrindra sy ny zavatra masìna, dia azony hanina ihany;