Bokin'ny Levitikosy 25:10
Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin’ ny tany ho an’ ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin’ ny taninareo avy ianareo sy any amin’ ny mpianakavinareo avy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 25
Cross References
Exodus 20:2Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana.
Leviticus 25:26Ary raha tsy manan-kavana hanavotra ralehilahy, nefa nambinina izy ka nahazo izay ampy ho enti-manavotra azy,
Leviticus 25:41Dia ho afaka izy sy ny zanany ka hody amin’ ny mpianakaviny sy amin’ ny tanin-drazany koa.
Leviticus 27:22Ary raha misy manamasìna ho an’ i Jehovah ny tany novidiny, izay tsy amin’ ny zara-taniny,
Numbers 36:4Ary raha tonga ny Jobilin’ ny Zanak’ Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an’ ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin’ ny zara-tanin’ ny razanay.
Psalms 146:7Izay manome rariny ho an’ ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an’ ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra;