Bokin'ny Levitikosy 25:2
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omeko anareo ianareo, aoka hisy fitsaharana ho an’ ny tany, dia sabata ho an’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay ka nanao hoe:
Read all of Bokin'ny Levitikosy 25
Cross References
Exodus 23:10Ary enin-taona no hamafazanao amin’ ny taninao sy hanangonanao ny vokatra;
Leviticus 23:32Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin’ ny andro fahasivy amin’ ny volana, rehefa hariva dia hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo.
Leviticus 26:35amin’ ny andro hahafoanany rehetra no hitsaharany ho solon’ izay tsy nitsaharany tamin’ ny sabatanareo, raha mbola nonina teo ianareo.
Deuteronomy 32:49Miakara amin’ ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny tendrombohitra Nebo, izay eo amin’ ny tany Moaba tandrifin’ i Jeriko; ary tazano ny tany Kanana, izay omeko ny Zanak’ Isiraely ho lovany.
2 Chronicles 36:21hanatanterahana ny tenin’ i Jehovah nampilazaina an’ i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin’ ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona.
Psalms 115:16Ny lanitra dia an’ i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an’ ny zanak’ olombelona.