Bokin'ny Levitikosy 25:23
Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Ary havelanareo ho azo avotana ny tany eo amin’ ny tany rehetra izay lovanareo.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 25
Cross References
Genesis 47:9Dia hoy Jakoba tamin’ i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan’ ny razako tamin’ ny andro nivahiniany.
Leviticus 25:10Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin’ ny tany ho an’ ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin’ ny taninareo avy ianareo sy any amin’ ny mpianakavinareo avy.
1 Kings 21:3Fa hoy Nabota tamin’ i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan’ i Jehovah izany! fa tsy homeko anao any tanin-drazako.
2 Chronicles 7:20dia hongotako amin’ ny tany izay nomeko anareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an’ ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin’ ny firenena rehetra.
Psalms 39:12Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra. [Sela.]
Psalms 85:1Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ ny Koraïta.