Bokin'ny Levitikosy 25:38
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, hanome anareo ny tany Kanana, mba ho Andriamanitrareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
37Aza mampanàna vola aminy, ary aza mampisambotra hanina hahazoana tombony:
39Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao ka mivaro-tena aminao, aza ampanompoinao toy ny andevo izy;
Read all of Bokin'ny Levitikosy 25
Cross References
Genesis 17:7Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ ny taranakao mandimby anao hatramin’ ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
Leviticus 11:45Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masìna ianareo, satria masìna Aho.
Numbers 15:41Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Jeremiah 31:33Fa izao no fanekena havoko amin’ ny taranak’ Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
Hebrews 11:16Fa amin’ izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an’ ireo Izy.