Bokin'ny Levitikosy 25:9
Dia mitsofa anjomara avo feo amin’ ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito; dia amin’ ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran’ ny taninareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 25
Cross References
Leviticus 16:29Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin’ ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo.
Leviticus 23:24Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin’ ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin’ ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masìna.
Leviticus 25:10Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin’ ny tany ho an’ ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin’ ny taninareo avy ianareo sy any amin’ ny mpianakavinareo avy.
Leviticus 27:24Amin’ ny taona Jobily no hodian’ ny tany amin’ izay nividianana azy, dia ho an’ izay tompon-dova.
Numbers 36:4Ary raha tonga ny Jobilin’ ny Zanak’ Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an’ ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin’ ny zara-tanin’ ny razanay.
Psalms 89:16Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin’ ny fahazavan’ ny tavanao no handehanany.