Bokin'ny Levitikosy 26:19
Ary horavako ny reharehan’ ny herinareo, ka hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo; ary ny herinareo ho lany foana;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20fa tsy hahavoka-javatra ny taninareo, any tsy hamoa ny hazo amin’ ny tany.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 26
Cross References
Deuteronomy 11:17ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany soa izay omen’ i Jehovah anareo.
1 Samuel 4:3Ary rehefa tonga tany an-toby ny olona, dia hoy ny loholon’ ny Isiraely: Nahoana no, namely antsika teo anoloan’ ny Filistina Jehovah androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, ka raha tonga eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin’ ny tanan’ ny fahavalontsika.
1 Kings 8:35Raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan’ ny olona taminao, ka mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin’ ny fahotany, satria ampahorinao,
Isaiah 2:12Fa misy andron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
Isaiah 26:5Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin’ ny tany ka: azerany ho amin’ ny vovoka.
Jeremiah 14:1Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Jeremia ny amin’ ny mosary.