Bokin'ny Levitikosy 26:36
Ary ny amin’ ny sisa aminareo any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon’ ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 26
Cross References
Leviticus 26:7Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.
Deuteronomy 1:44Dia nivoaka hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin’ izany tendrombohitra izany, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny reni-tantely, dia nandringana anareo tany Seïra ka hatrany Horma.
Joshua 2:9ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’ i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra anareo.
1 Samuel 17:24ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy.
2 Chronicles 14:14Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman’ osy sy rameva, ary dia niverina ho any Jerosalema izy.
Psalms 53:6Indreo, matahotra dia matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa nanely ny taolan’ izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa narian’ Andriamanitra izy.