Bokin'ny Levitikosy 26:4
dia hanome anareo ranonorana amin’ ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany,
Read all of Bokin'ny Levitikosy 26
Cross References
Leviticus 25:19Ary ny tany hahavoka-javatra dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry fahizay.
Deuteronomy 11:13Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra,
Deuteronomy 28:12Hovohan’ i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin’ ny taninao amin’ ny fotoany sy hitahiany ny asan’ ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra.
Job 5:10Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin’ ny tany ary mampandeha rano eny amin’ ny saha,
Job 38:25Iza moa no nihady lalan-drano ho an’ ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an’ ny helatry ny kotrokorana,
Psalms 65:10Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao ― Ny onin’ Andriamanitra dia tondra-drano ― Mamboatra vary ho an’ ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.