Bokin'ny Levitikosy 26:43
Ary ny tany hilaozan’ ny olona ka hanonitra ny sabatany, raha mitoetra foana tsy misy olona izy; ary ny olona hanonitra ny amin’ ny helony, satria nandà ny fitsipiko Izy, ary halan’ ny fanahiny ny didiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 26
Cross References
Leviticus 26:30Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an’ ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin’ ny fatin’ ny sampinareo, ary ho halan’ ny fanahiko ianareo.
Leviticus 26:41ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, raha hietry amin’ izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin’ ny helony izy,
2 Kings 17:7Ary ny nahatongavan’ izany dia noho ny nanotan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ho afaka tamin’ ny tànan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy
2 Chronicles 36:14Ary ny lehibe rehetra tamin’ ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ ny jentilisa ka nandoto ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.
Job 5:17Indro, sambatra ny zanak’ olombelona izay anarin’ Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan’ ny Tsitoha;
Psalms 50:15Antsoy Aho amin’ ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.