Bokin'ny Levitikosy 26:7
Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And ye shall chase your enemies, and they shall fall before you by the sword.
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 26
Cross References
Leviticus 26:36Ary ny amin’ ny sisa aminareo any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon’ ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
Joshua 23:10Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo.
Judges 7:23Dia nivory ny lehilahy amin’ ny Isiraely avy tamin’ ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana.
1 Samuel 14:13Ary Jonatana nananika, nandady tongotra aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpitondra ny fiadiany. Dia lavo teo anatrehan’ i Jonatana ny Filistina, ary ny mpitondra ny fiadiany namono teo aoriany.
Esther 9:16Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin’ ny fahavalony izy, ary dimy arivo amby fito alina no matiny (kanefa ny fananany tsy mba norobainy)