Bokin'ny Levitikosy 27:18
Fa raha misy manamasìna ny taniny ao aorian’ ny Jobily, dia holazain’ ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin’ ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovanao ny tombany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Raha misy manamasìna ny taniny, raha vao afaka ny Jobily, dia araka izay hataonao tombany no izy.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 27
Cross References
Leviticus 25:15araka ny isan’ ny taona aorian’ ny Jobily no hividiananao amin’ ny namanao; ary araka ny isan’ ny fararano no hivarotany aminao.
Leviticus 25:27dia aoka hanisa ny taona hatramin’ ny nivarotany azy izy ka handoa ny hevitry ny taona sisa ho an’ ny lehilahy izay nivarotany azy; ka dia hody amin’ ny taniny izy.
Leviticus 27:23dia holazain’ ny mpisorona aminy ny hevitry ny ataonao tombany, dia hatramin’ ny taona Jobily; ary dia handoa izay nataonao tombany amin’ izany andro izany izy ho zava-masìna ho an’ i Jehovah.