Bokin'ny Levitikosy 27:28
Kanefa ny zavatra rehetra izay atokan’ ny olona ho an’ i Jehovah amin’ izay ananany, na olona, na biby fiompy, na tany izay fananany, dia tsy hamidy, na havotana; masìna dia masìna ho an’ i Jehovah ny zavatra rehetra izay atokana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
29Ny olona rehetra izay atokana dia tsy havotana, fa hatao maty tokoa.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 27
Cross References
Exodus 22:20Ary aza manao izay sarotra amin’ ny vahiny, na mampahory azy; fa ela mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ihany ianareo.
Leviticus 27:21Fa raha afaka amin’ ny Jobily ny tany, dia ho masìna ho an’ i Jehovah tahaka ny saha voatokana izany; ny mpisorona no ho tompony.
Numbers 21:2Dia nivoady tamin’ i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany.
Deuteronomy 13:15dia diniho sy fotory ary adino tsara, ka raha, indro fa nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo aminao izany fahavetavetana izany,
Deuteronomy 25:19Ary rehefa omen’ i Jehovah Andriamanitrao fitsaharana amin’ ny fahavalonao rehetra manodidina ianao any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin’ ny lanitra intsony: aza hadinoinao izany.
Joshua 6:26Dia nilaza fanozonana Josoa tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan’ i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity indray; ny ain’ ny lahimatoany no ho sazin’ ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ ny faralahiny no ho sazin’ ny hananganany ny vavahadiny.