Bokin'ny Levitikosy 27:3
Ary ny hataonao tomban’ ny lehilahy hatramin’ ny roa-polo taona ka hatramin’ ny enim-polo taona dia sekely volafotsy dimam-polo araka ny sekely masìna;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4fa raha vehivavy, dia sekely telo-polo kosa no hataonao tombany.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 27
Cross References
Exodus 30:13Izao no haloan’ izay rehetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masìna (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an’ i Jehovah.
Leviticus 5:15Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin’ ny zava-masin’ i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an’ i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masìna, ho fanati-panonerana.
Leviticus 27:14Ary raha misy olona manamasìna ny tranony ho an’ i Jehovah, dia hotombanan’ ny mpisorona ny trano, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataon’ ny mpisorona tombany no izy.
Numbers 3:47dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masìna no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray).
2 Kings 12:4Nefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana; ary ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teo amin’ ny fitoerana avo ihany.