Bokin'ny Levitikosy 27:8
Ary raha malahelo kosa izy ka tsy mahaloa izay hataonao ho tombany, dia ho entina eo anatrehan’ ny mpisorona izy, ary ny mpisorona hanombana azy; araka izay takatry ny ananan’ ilay nivoady no hanombanan’ ny mpisorona azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 27
Cross References
Leviticus 5:7Ary raha tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho an’ i Jehovah izy ho saziny noho ny nanotany; ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana.
Leviticus 12:8Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak’ ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.
2 Kings 7:5Dia niainga izy rehefa takariva hankany amin’ ny tobin’ ny Syriana; ary nony tonga teny an-tsisin’ ny toby izy, indro, tsy nisy olona akory tao.
Mark 14:7Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
2 Corinthians 8:12Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.