Bokin'ny Levitikosy 3:1
Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 3
Cross References
Exodus 24:5Ary ny zatovo amin’ ny Zanak’ Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr’ ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah.
Leviticus 1:3Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah izy.
Leviticus 7:11Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanati-pihavanana izay haterina ho an’ i Jehovah:
Leviticus 17:5mba ho entin’ ny Zanak’ isiraely ho an’ i Jehovah eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ho amin’ ny mpisorona, ny zavatra vonoiny ho fanatitra, izay famonony tany an-tsaha; ary dia hateriny ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah izany.
Leviticus 22:21Ary raha misy manatitra fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na ho fanati-tsitrapo, na omby izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy kilema na kely akory aza no hateriny mba hankasitrahana azy.
Numbers 7:17ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Nasona, zanak’ i Aminadaba.