Bokin'ny Levitikosy 4:12
dia ny tenan’ ny vantotr’ ombilahy rehetra, no havoakany avokoa ho eny ivelan’ ny toby ho amin’ izay fitoerana madio fanariana ny lavenona; ary handoro azy eo ambonin’ ny kitay amin’ ny afo izy; eo amin’ ny fanariana ny lavenona no handoroana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 4
Cross References
Leviticus 6:4Ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ ny toby amin’ izay fitoerana madio.
Leviticus 6:11Ny lehilahy rehetra amin’ ny zanak’ i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay ho an’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany; ho masìna izay rehetra manendry izany.
Leviticus 8:17Fa ny hoditry ny vantotr’ ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin’ ny afo teny ivelan’ ny toby, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Leviticus 16:27Ary ny vantotr’ ombilahy natao fanatitra noho ny ota sy ny osilahy natao fanatitra noho ny ota, izay efa nampidirina tao amin’ ny fitoerana masìna ny ràny hatao fanavotana, dia ho entina mivoaka ho eny ivelan’ ny amin’ ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny toby; ary hodorana tain-drorohany.
Numbers 15:35Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan’ ny toby ny fiangonana rehetra.
Numbers 19:5Dia hodorana eo imasony ilay vantotr’ ombivavy: ny hodiny sy ny henany ary ny ràny mbamin’ ny tain-drorohany dia hodorana avokoa.