Bokin'ny Levitikosy 4:18
Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan’ i Jehovah, dia ilay ao anatin’ ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran’ ny trano-lay fihaonana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 4
Cross References
Exodus 30:10Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin’ ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin’ ny ran’ ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby; ho masìna indrindra ho an’ i Jehovah izany.
Leviticus 5:9Ary hamafazany eo amin’ ny rindrin’ ny alitara ny ran’ ny fanatitra noho ny ota; ary ny rà sisa hofiazany eo am-bodin’ ny alitara; dia fanatitra noho ny ota izany.
Leviticus 9:9Ary nentin’ ny zanak’ i Arona ho eo aminy ny rà, dia nanoboka ny fanondrony tamin’ ny rà Arona, ka notentenany ny tandroky ny alitara ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin’ ny alitara;