Bokin'ny Levitikosy 4:24
ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny osilahy izy, dia hamono azy eo amin’ ny famenoana ny fanatitra dorana eo anatrehan’ i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 4
Cross References
Exodus 29:38Ary izao no haterinao eo ambonin’ ny alitara: zanak’ ondry roa izay iray taona isan’ andro isan’ andro
Leviticus 1:5Dia hamono ny zanak’ omby eo anatrehan’ i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara, izay eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;
Leviticus 3:2Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara.
Leviticus 3:13Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak’ i Arona dia hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara.
Leviticus 6:18Mitenena amin’ i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no Lalàna ny amin’ ny fanatitra noho ny ota: Eo amin’ ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny ota eo anatrehan’ i Jehovah; ho masìna dia masìna izany.