Bokin'ny Levitikosy 4:25
Ary hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ny ran’ ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 4
Cross References
Exodus 29:12ary analao ny ran’ ny vantotr’ ombilahy, dia atenteno eo amin’ ny tandroky ny alitara amin’ ny fanandranao, ary ny rà sisa rehetra dia aidino eo am-bodin’ ny alitara;
Leviticus 4:18Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan’ i Jehovah, dia ilay ao anatin’ ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran’ ny trano-lay fihaonana.
Leviticus 4:34Ary hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ny ran’ ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara.
Leviticus 8:10Ary nalain’ i Mosesy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao ka nohamasininy.
Leviticus 9:9Ary nentin’ ny zanak’ i Arona ho eo aminy ny rà, dia nanoboka ny fanondrony tamin’ ny rà Arona, ka notentenany ny tandroky ny alitara ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin’ ny alitara;
Leviticus 17:11Fa ny ain’ ny nofo dia amin’ ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ ny alitara hanao fanavotana ho an’ ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana, satria aina izany.