Bokin'ny Levitikosy 4:31
Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran’ ny fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy, dia havela ny helony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
32Ary raha zanak’ ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota, dia ny vavy tsy misy kilema no ho entiny;
Read all of Bokin'ny Levitikosy 4
Cross References
Genesis 8:21Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin’ ny olona Aho; fa ny fisainan’ ny fon’ ny olona dia ratsy hatramin’ ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.
Leviticus 1:9fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia hodoran’ ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin’ ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Leviticus 1:17ary hosamahany amin’ ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ambonin’ ny kitay izay eo amin’ ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Leviticus 3:9Ary hangalan’ ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin’ ny faran’ ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
Leviticus 3:15ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany.
Leviticus 4:19Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara.