Bokin'ny Levitikosy 4:32
Ary raha zanak’ ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota, dia ny vavy tsy misy kilema no ho entiny;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And if he bring a lamb for a sin offering, he shall bring it a female without blemish.
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 4
Cross References
Exodus 12:3Mitenena ianareo amin’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin’ ny andro fahafolo amin’ ity volana ity dia aoka samy haka zanak’ ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak’ ondry iray avy no ho an’ ny isan-trano;
Leviticus 1:3Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah izy.
Leviticus 4:28ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osivavy tsy misy kilema ho fanatiny izy noho’ ny fahotany izay nataony.
Isaiah 53:7Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy.
John 1:29Nony ampitso dia nahita an’ i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao!
Ephesians 5:27mba horaisiny ho an’ ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masìna sady tsy misy tsiny izy.