The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Levitikosy › Bokin'ny Levitikosy 4 › Bokin'ny Levitikosy 4:34

Bokin'ny Levitikosy 4:34

Ary hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ny ran’ ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the priest shall take of the blood of the sin offering with his finger, and put it upon the horns of the altar of burnt offering, and shall pour out all the blood thereof at the bottom of the altar:

In Context

33ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy ho fanatitra noho ny ota eo amin’ ny famonoana ny fanatitra dorana.

35Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran’ ny zanak’ ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ambonin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.

Read all of Bokin'ny Levitikosy 4

Cross References

Leviticus 4:25Ary hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ny ran’ ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana;

Isaiah 42:21Sitrak’ i Jehovah noho ny fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy.

Romans 8:1Ary amin’ izany dia tsy misy fanamelohana ho an’ izay ao amin’ i Kristy Jesosy.

Romans 10:4Fa Kristy no faran’ ny lalàna ho fahamarinana ho an’ izay rehetra mino.

Hebrews 2:10Fa miendrika Izay anton’ ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin’ ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon’ ny famonjena ireo amin’ ny fahoriana.

1 Peter 1:18fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin’ ny nentin-drazana,

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Levitikosy 4:34

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Levitikosy 4:33Bokin'ny Levitikosy 4Bokin'ny Levitikosy 4:35 →