Bokin'ny Levitikosy 4:6
ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony eo amin’ ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny efitra lamba ao amin’ ny fitoerana masìna;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 4
Cross References
Leviticus 4:17ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony amin’ ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah, dia eo anoloan’ ny efitra lamba.
Leviticus 4:30Ary hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ny rà ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara.
Leviticus 8:11Dia namafazany impito teo ambonin’ ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy.
Leviticus 9:9Ary nentin’ ny zanak’ i Arona ho eo aminy ny rà, dia nanoboka ny fanondrony tamin’ ny rà Arona, ka notentenany ny tandroky ny alitara ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin’ ny alitara;
Leviticus 14:16dia hatsoboky ny mpisorona ny fanondrony ankavanana eo amin’ ny diloilo izay eo am-pelatanany ankavia ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah.
Leviticus 14:27dia hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ankavanana ny diloilo izay eo ampela-tànany ankavia, ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah;