Bokin'ny Levitikosy 5:1
Ary raha misy manota, satria mandre ny feon’ ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara izy, ka mahameloka azy izany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 5
Cross References
Exodus 22:11Fa raha nangalarina tany aminy tokoa izany, dia hanonitra ho an’ ny tompon-javatra izy.
Leviticus 5:15Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin’ ny zava-masin’ i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an’ i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masìna, ho fanati-panonerana.
Leviticus 7:18Ary raha tahìny hihinanana amin’ ny andro fahatelo ny henan’ ny fanati-pihavanana, na dia kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an’ izay manatitra azy izany, fa fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin’ izany dia ho meloka.
Leviticus 19:8fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin’ i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izany olona izany.
Numbers 9:13Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an’ i Jehovah tamin’ ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany.
1 Kings 8:31Raha misy olona manota amin’ ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan’ ny alitaranao amin’ ity trano ity izy,