Bokin'ny Levitikosy 5:17
Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 5
Cross References
Leviticus 4:2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin’ ireny:
Leviticus 4:22Ary raha misy mpanapaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah Andriamaniny amin’ izay tsy tokony hatao ka meloka,
Leviticus 5:1Ary raha misy manota, satria mandre ny feon’ ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara izy, ka mahameloka azy izany,
Leviticus 5:15Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin’ ny zava-masin’ i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an’ i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masìna, ho fanati-panonerana.
Luke 12:48Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.